Ampy izay, hifarana hatreo
Ilay fitiavantsika roa
Eny hifanadao tsy hihaona intsony
’Zany izaho sy ianao
Eny sitrakao ny nandao
Tsy tazomina ela, avela mandeha
Fa izaho hoa tsy sahazanao
Avelao aho ho toy izao
famerenana:
Fa ianao hatramin’izao
No misafidy izay tokony hatao
Ankehitriny ampy izay
Avelao aho!!
Fa raha handeha ianao
Dia soavadia aza miherika intsony
Fa izaho tsy afaka mitana izay tsy tamana